LESONA SEKOLY SABATA LEHIBE : IREO FOMBA FANDINIHANA FAMINANIANA AO AMIN'NY BAIBOLY

Lesona 04: NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA 1

Sabata 19 Avril 2025 - FAMPIDIRANA

Hodinihina mandritra ny herinandro:

.

Gen. 10:1-12; Gen. 12:1-9; 1 Sam. 8:4-18; Mat. 20:25-28; Apok. 18:1-4.

.

Tsianjery: "Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava." - Dan. 7:14.

.

Mampiseho ny vahaolana entin'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao lavo ny bokin'ny Apokalipsy. Hita ao amin'ireo toko farany fa afaka hiverina eo amin'ny hazon'aina indray ny olona, afaka ny ozona, ary ho afaka hifanatrika amin'Andriamanitra indray isika. Amin'ny lafiny iray, ny Apokalipsy dia toy ny bokin'ny Genesisy mivadika, ary izany no mahatonga ny Genesisy hanan-danja lehibe amin'ny fahatakarana ny fomba nipoiran'ny olana teto amin'izao tontolo izao tany am-boalohany.

.

Anisan'ny olana lehibe voalaza ao amin'ny Daniela sy ny Apokalipsy ny fitondram-panjakana eto an-tany; mifandimby manao izay hifehezana ny tany manontolo ny olombelona, nefa Andriamanitra no tompon'izany ara-dalana. Rehefa mifarana mandrakizay ity vanim-potoana mahatsiravin'ny fahotana sy ny fikomiana ity, dia hanjaka amim-pahamarinana amin'izay Andriamanitra.

.

Dingana maro vao ho tonga amin'io fotoana io; misy arivo taona maro nanandraman'ny olombelona ny fitondram-panjakan'ny tenany. Tsy nahomby velively anefa izany; na ireo izay naneho ny idealy ambony indrindra aza dia tsy nahatratra izany idealy izany, ary matetika no tena lavitra izany mihitsy. Ny tantara mampalahelon'ny olombelona ankapobeny nandritra ny arivo taona maro, dia tsy inona fa tantara mahonenan'ny fiantraikan'ireo rafitra tsy nahomby ireo teo amintsika. Ary mainka hiharatsy aza izany mandra-piorin'ilay "fanjakana mandrakizain'Andriamanitra" (Dan. 7:27) amin'ny farany.

Alahady 20 Avril 2025 - NIMRODA SY NINIVE

Nohariana ho fonenana tsara indrindra ho an'ny taranak'olombelona ny saha Edena. Rehefa tafiditra ny fahotana dia voatery nesorin'Andriamanitra tamin'ny olombelona ilay saha sy ny hazon'aina, hatreto aloha.

.

Tsy maintsy niasa mafy ny olombelona teny ivelan'ny saha Edena, mba ho velona. Nihamafy ny fiainana, ny fahoriana sy ny hatsembohan'ny tavantsika no manjary tsy maintsy hahazoantsika hanina (Gen. 3:16-19). Nino sy natoky ireo ray aman-drenintsika voalohany fa hahita vahaolana hahazoana miverina indray ao Edena llay Mpanjaka ara-dalana; ary nitondra fanatitra teo am-bavahadin'ny saha Edena izy ireo, sady nanantena ilay fanavotana natolotr'Andriamanitra an'izao tontolo izao raha vantany vao lavo izy.

.

"Mbola naharitra nitoetra ela teto an-tany ilay fonena-mamy izay tsy azon'ny olona naleha intsony. (...) Teo am-bavahadin'ilay saha tsy manam-paharoa izay nohidin'ny anjely mpiambina sy nisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra, no nivorian'i Adama sy ny zanany mba hiankohofany teo anatrehan'ny Mpamorona sy hanavaozany indray ny voadim-pankatoavany. Taty aoriana, rehefa nanafotra ny tany ny onjam-paharatsiana ka efa hipaoka handevona ny olona noho ny helony ny Safo-drano, dia nesorin'llay tanana izay efa nametraka azy teto an-tany tsy ho ety intsony ny saha Edena. Fa amin'ny fotoarna izay hamerenana indray ny toe-javatra rehetra ho amin'ny laoniny, amin'ny fotoana izay hisehoan'ny 'lanitra vaovao sy ny tany vaovao' (Apôk. 21:1), eny, amin'izay fotoana izay, dia haverina indray izy, ka ho be voninahitra noho ny tamin'ny fotoana nanolorana azy voalohany." - PM, tt. 39,40.

.

Ny sasany kosa nitady "vahaolana" avy amin'ny olombelona ihany mba hamahana ilay olana vaovao nipoitra, nipoitra, ary hitantsika fa nanorina tanana-fanjakana izy ireo, niezaka nanamora kokoa ny fiainana, ary angamba nanandrana nanamboatra indray izay very tany Edena.

.

Vakio ny Gen. 10:1-12. Eto no ampahafantarin'ny Baiboly antsika ireo fahefana põlitika lehibe maromaro, Izay mbola ho hita manerana ny Baiboly, anisan'izany any | Ninive sy | Babilona. Araka ny fantatsika momba ny anjara tanan'ireo tanana ireo aty aorlana, Inona ny hevitra azontsika tsoahina avy amin'ireo andininy ireo?

.

Misy ireo nanatsoaka hevitra rehefa namaky momba an'i Nimroda fa izy dia olona mahery fo mendri-kaja, tahaka irony mpiady mahery hita ao amin'ny anganon'ny mpanompo sampy irony. Kanefa ny namaritan'ny Baiboly azy ho "olona mahery tambonin'ny tany sy "mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah dia tsy fiderana azy. Nihevi-tena ho lehibe i Nimroda, ary ny fijoroany "teo anatrehan'i Jehovah" dia fijoroana ho fanoherana an'Andriamanitra. Ny fielezan'ny fikomiana amin'Andriamanitra no hitantsika ao amin'ireo lahatsoratra ireo, fikomiana izay hisy hatrany mandra-pahatongan'ny fotoana izay hamongorana azy rehetra mandrakizay.

.

Nahoana ny fahotana amin'ny fikomiana amin'Andriamanitra no tsy misehoseho kokoa, tsy araka izay iheverantsika azy? Ahoana no hiarovantsika tena tsy hanana lo toetra ratsin'ny olombelona io?

Alatsinainy 21 Avril 2025 - NY FIANTSOANA AN'I ABRAHAMA

Hitantsika ao amin'ny toko fahafolo ao amin'ny Genesisy ny nipoiran'ireo firenena samihafa. Ny teny adika hoe "firenena" dia goyim, izay mety hidika koa hoe Jentilisa. Voalaza ao fa nizarazara ny taranak'olombelona, sarny nanana ny taniny, ny fiteniny, ny mpianakaviny, ary ny fireneny avy (Gen. 10:5; jereo koa ny Apôk. 14:6).

.

Saika avy hatrany taorian'izany no niantsoan'Andriamanitra an'i Abrahama hiala tamin'ny iray amin'ireo firenena ireo, mba hiavahany amin'izy ireo sy tsy hanehoany izay asehony.

.

Vakio ny Gen. 12:1-9. Nahoana Andriamanitra no niantso an'l Abrama (izay lasa Abrahama taty aoriana) hiala amin'ny taniny?

.

Ny hanangana firenena iray izay hiavaka amin'ny fanjakan'olombelona no tanjon'Andriamanitra tamin'ny nampiasany an'i Abrahama. Tsy tokony hanana mpanjaka hafa ankoatra an'Andriamanitra izy ireo. Ireo vahoaka ireo dia natao hampiseho izay hitranga raha miverina amin'ny Mpahary azy ny taranak'olombelona. Natsangana ny Isiraely mba ho fitahiana ho an'ny "firenena rehetra ambonin'ny tany" - Gen. 12:3. Nampitosaka fahazavana sy tombontsoa maro ho azy ireo Andriamanitra, izay azo inoana fa tsy fahita teto an-tany na talohan'ny Safodrano aza.

.

Vakio ny Deo. 4:5-9. Inona no nolazain'ny Tompo tamin'ny taranak'i Abrahama, dia ilay firenena izay nanjary fahatanterahan'ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama?

.

Tsy olon-tokana nijoro ho vavolombelona teo anivon'ny fiarahamonina iray tsy akory ny taranak'i Abrahama eto, fa firenena iray manontolo izay miray hina sy miara-miasa amin'Andriamanitra, ka afaka naneho ny voninahitry ny toetrany. Mariho koa fa tsy ny fananany ireo "didy sy fitsipika" no tena nahatonga azy ireo ho vahoaka miavaka fa ny fitandremany tsara izany, izay hahatonga ny firenen-kafa hanao hoe: "Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io." - Deo. 4:6. Na tsara sy mahatalanjona toy inona aza ny fahamarinana nomena ny vahoaka, ny tsy fitandremany izany dia hahatonga ozona fa tsy fitahiana, ary fahafatesana fa tsy fiainana.

.

Mihatra amintsika Advantista ankehitriny koa io fitsipika lo, dia ny hoe: sady mila mahafantatra ny fahamarinana no mila mankatò izany koa; amin'ny fomba ahoana?

Talata 22 Avril 2025 -NOMENA ANAO IZAY NANGATAHINAO

Raha ny drafitr Andriamanitra tany am-piandohana dia tsy natao hanana mpanjaka olombelona na ny ny Isiraely, tsy natao ho tahaka ireo firenena hafa izay nanana ny mpanjakany izy. Nihena an-dalana anefa ny finoan'ny Isiraelita ka nanjary naniry ho tahaka ny firenena hafa rehetra izy ireo, mba hanana izay ananany koa.

.

Vakio ny 1 Sam. 8:4-18. Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no nanjary naniry hanana mpanjaka? Alaim-panahy toy izany koa isika; amin'ny fomba ahoana?

.

Zava-dehibe ny manamarika fa fandavana an'Andriamanitra tsy hanjaka amin'ny vahoakany ny fangatahan'izy ireo mpanjaka. Hatramin'izay dia natao hanatona mivantana ny Mpahary izy ireo, amin'ny alalan'ireo fanompoam- fan pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny maro hafa. Ny fangatahany mpanjaka dia hahatonga fahoriana aminy tahaka izay manjo ireo firenena mpanompo sampy, toy ny fanerena hiantafika rehefa misy ady ataon'ny mpanjaka, ny fangiazana, ny hetra, sy ny fijaliana hafa koa. Ho hitany fa ny olombelona mpanapaka dia mirona kokoa ho amin'ny fikatsahana ny tombontsoan'ny tenany fa tsy mitondra amim-pahatsaram-panahy tahaka an'Andriamanitra.

.

Ankoatra izany, tsy ho azo ovana ilay lamina vaovao: homena ny Isiraely izay nangatahiny, ary rehefa tsapany any aoriana fa fitotonganana no vokatr'izany, dia tsy hisy azo atao. "Ary hitaraina amin'izany andro izany hianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany." - 1 Sam. 8:18.

.

Vakio ny Deo. 17:14-20. Mariho fa tsy nilaza Andriamanitra hoe: "Hanome mpanjaka azy ireo Aho" fa ny vahoaka kosa no nanapa-kevitra fa te hanana mpanjaka. Nanome fepetra kosa Andriamanitra ho fiarovana azy ireo amin'ny faharatsian'ny fitondram-panjakan'olombelona - - na dia matetika aza no natao tsinontsinona izany fepetra izany, araka ny hita eo amin'ny tantaran'ny firenena sy ny mpanjakany.

.

Ny fandinihana ny tantaran'ny Isiraely dia ampy ahitana fa niharatsy tokoa ny toe-javatra teo ambanin'ny fitondran'ireo mpanjaka ireo. Marina fa nisy mpanjaka tsara kokoa noho ny sasany, kanefa na ny "tsara" aza dia nanao fahadisoana maro (eritrereto ny amin'i Davida sy i Batseba). Toe-javatra maro no ahitana fa nifandimby nanjaka teo amin'ny firenena ireo mpanjaka "nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah" (jereo ny 1 Mpanj. 11:6; 1 Mpanj. 15:26; 1 Mpanj. 16:30; 2 Mpanj. 3:2, sns.)

.

Tamin'izany andro izany, na mandraka ankehitriny aza, dia misy teboka iray itovian'ny fitondram-panjakan'olombelona rehetra: olombelona mpanota no mitondra vahoaka mpanota. Mety hisy zavatra manjary ve amin'izany?

Alarobia 23 Avril 2025 - IREO MPANAPAKA JENTILISA

Ny fifandraisan'Andriamanitra tamin'ny Isiraely dia maneho amin'ny endriny maro ny fifandraisany amin'ny fiangonana ao amin'ny TV. Raha ny marina, ny firenena Isiraely dia nanondro mialoha ny fahadisoan'ny fiangonana tamin'ny lafiny maro. Tsy afaka milaza tena velively ho ambony noho ny Isiraely fahiny ny Kristianina, fa mora voafitaky ny fakam-panahy toa azy ihany izy, hatramin'izao.

.

Vakio ny Mat. 20:25-28. Nampitandrina ny mpianany tsy hanao tahadisoana I Jesosy teo am-panafatrafarana momba ny asan'ny fiangonana kristianina; inona izany fahadisoana izany?

.

Nangataka olombelona hatao mpanjaka ny Isiraely, ary nahatonga fitotonganana ara-pitondran-tena teo amin'ny firenena izany. Niharatsy fanahy hatrany ireo mpanjaka mandra-pamelan'Andriamanitra ny Babilonianina haka ny vahoaka ho babo, mba hanitsiana azy ireo.

.

Nisy toe-javatra toy izany koa nitranga teo amin'ny fiangonana kristianina. Na tsy natao hanana rafitra toy ny an'ny firenena mpanompo sampy aza izy, rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Constantin dia nahatsiaro ho maivamaivana ny mpino: nitsahatra ny fanenjehana! Toa fitahiana ihany izany, kanefa nanomboka teo dia nihevitra ny fiangonana fa afaka hanararaotra ny fahefan'ny amperora hahazoany tombontsoa manokana.

.

Nisy adilahy maro nipoitra teo anivon'ny Kristianina tamin'ny taonjato fahefatra, ary rehefa tsy hain'ny fiangonana ny namaha izany olana izany, dia nitaraina tamin'ny amperora izy ireo mba hidirany an-tsehatra. Nanomboka teo dia nanjary nitana toerana ambony ny evekan'i Rôma, izay eveka toy ny eveka rehetra namany ihany teo aloha. Nangatahin'ny fiangonana hiditra an-tsehatra hanelanelana tamin'ny raharaha ara-pivavahana ny fanjakana, ary rehefa tafiditra ity farany dia niharatsy ny toe-draharaha.

.

Tahaka ny Isiraely fahiny, ny ankamaroan'ny fotoana maizina indrindra teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristianina dia vokatry ny marimaritra niraisan'ny fiangonana tamin'izao tontolo izao. Nivily ho amin'ny fanompoan-tsampy ny Isiraely ary ny mpanjakany dia nanao ratsy noho ny fitiavam-pahefana tonga hatramin'ny fanaovana sorona ny zanany ho an'ny sampy izy ireo - ny fiangonana kosa nanaraka tsikelikely ny fomba amam-panaon'ny fanjakana jentilisa, ka maro tamin'ireo mpino mahatoky no novonoina satria noheverina ho nandrahona ny fiaraha-miasan'ny fiangonana sy ny fanjakana.

.

Ao amin'ny kolontsaina sy ny fiarahamonina misy anao, ahoana no isehoan'izany fakam-panahy Izany, izay manohintohina ny fahatokiantsika amin'ny finoantsika?

Alakamisy 24 Avril 2025 - FANAZAVANA NY JENTILISA

Ny tanjona voalohany nanorenan'Andriamanitra ny firenena Isiraely dia tsy ny hanameloka izao tontolo izao, fa ny hamonjy azy. Hita mazava fa mahatsiaro meloka ny ankamaroantsika rehefa manoloana olona iray maneho fitondran-tena marina; ary ny fisian'ny Isiraely koa dia natao hanasongadinana ny fahotana sy ny fitiavan-tenan'ny firenena manodidina azy. Mpampiharihary ny toetra marin'Andriamanitra ny mpino izay manana fiainana mifandrindra amin'Andriamanitra, ka manjary fananarana ho an'ny hafa. Tokony hampiseho ny toetran'Andriamanitra ny fiainan'ireo izay "mitandrina ny didin'Andriamanitra" - Apôk. 14:12; izany no tsara indrindra.

.

Raha nanao araka ny tokony ho nataony sy nasaina nataony ny Isiraelita, dia ho nanatona azy tamim-pihavanana ny firenen-kafa, ka ho nitady hahafantatra misimisy kokoa momba azy ireo sy ny Andriamaniny. Indrisy anefa, araka ny asehon'ny fahababoana tany Babilona, fa tonga nanafika azy kosa ireo firenena ireo.

.

I Jesosy no fanehoana faratampony ny toetran'Andriamanitra, mazava loatra - Ilay hany olombelona naneho izany tamin'ny fomba tonga lafatra. Azo antoka fa voaheloka ny fon'ny olona teo anatrehan'ny ohatra lavorary nasehony, kanefa natao ho fanasana azy ireo izany (jereo ny Jao. 3:16-21).

.

Tahaka ny tanjon'Andriamanitra faratampony tamin'ny nanorenany ny firenena Isiraely ihany no tanjony tamin'ny nanorenany ny fiangonana: iriny fatratra ny hampiasa ny vahoakany hitaomana ny mpanota ho eo amin'i Kristy. Tsy ho an'ny olom-bitsy voafantina ihany ny hafatr'ireo anjely telo izay natao hotorin'ny fiangonany, fa natao "hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" - Apôk. 14:6. Voalaza mialoha ao amin'ny Apôk. 18:1 fa hohazavain'ny voninahitr'Andriamanitra ny tany rehetra alohan'ny fiverenan'i Kristy.

.

Inona no ampianarin'ireto andininy manaraka Ireto antsika momba ny fikasan Andriamanitra ho asan'ny vahoakany eto amin'Izao tontolo izao? Ahoana no hampiharantsika ireo foto-kevitra Ireo amin'ny tenantsika manokana?

.

Nom. 14:17-21

.

Isa. 42:6, Isa. 49:6, Isa. 60:3

.

Apok. 18:1-4

.

Vakio indray ny Apok. 18:1-4, izay antso miantefa amin'ny olon'Andriamanitra, mba hlalany ao Babilona. Ahoana no hahatanteraka izany? Izany hoe, ahoana no ahafahan'Andriamanitra mamplasa antsika, amin'ny maha-flangonana fa tsy Babilona antsika, hlantsoana Ireo olon'Andriamanitra mbola ao Babilona, mba hlala ao?

Zoma 25 Avril 2025 FIANARANA FANAMPINY

FIANARANA FANAMPINY

.

Vakio ny Isa. 44:24-45:13.

.

"Tsikelikely, miafina ary mangina aloha vao mivelatra kokoa arakaraka ny fananany hery sy mpanohana no anohizan'ity 'zava-miafin'ny tsi-fankatoavan-dalana' ity ny asa fampiviliana ataony. Mila tsy ho tsapa akory ny nisokoan'ny fomba amam-panao jentilisa tao amin'ny fiangonana kristiana. Ny fironana hihavana sy hifanatona amin'izao tontolo izao dia nandamoka nandritra ny fotoana fohy, noho ny fivaivain'ny fanenjehana niaretan'ny fiangonana avy tamin'ny fanompoam-tsampy. Nefa raha vao niato ny fanenjehana, ary nahazo lalana hiditra tany an-drova sy tany amin'ny lapan'ny mpanjaka ny fivavahana kristiana, dia notakalozan'ny fiangonana ny rendrarendra sy ny avonavon'ireo mpisorona sy mpanompo sampy ny fahatsorana sy ny fanetren-tenan'i Kristy sy ireo apostoly ary koa ny fitakian'ny Tenin'Andriamanitra, tamin'ireo fampianarana sy lovan-tsofin'olombelona. Ny sarintsarim-piovam-pon'i Constantin, teo amin'ny fiandohan'ny taonjato fahefatra, dia niteraka fifaliam-be, ary niditra tao amin'ny fiangonana izao tontolo izao nitafy ny endriky ny fahamarinana. Hatramin'izay dia mandroso haingana ny asan'ny fahalotoana. Nanjary mpandresy ny fanompoan-tsampy izay toy ny resy. Nifehy ny fiangonana ny toe-tsainy. Ny foto-keviny, ny fombam-pivavahany sy ny finoanoam-poany dia tafaray tamin'ny finoana sy ny fanompoam-pivavahan'ireo izay milaza ho mpanaraka an'i Kristy." - HM, tt, 49,50.

.

Araka ny fanontaniana ao amin'ny faran'ny lesona Alarobia, tsy tandindomin-doza avokoa ve isika hanakalo "ny fahatsorana sy ny fanetren-tenan'i Kristy sy ireo apostoly amin'ny voninahitra, ny fahefana sy ny dera ary ny fakam-panahy arentirentin'izao tontolo izao? Raha mihevi-tena ho tsy tandindomin-doza isika, dia mamitaka ny tenantsika.

.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

.

1. Nataon'Andriamanitra sesitany tany Babilona ny vahoakany, ary fotoana nampahory indrindra izany. Nantsoina handao ny tany Kaldea i Abrahama mba hanangana ny vahoakan'ny fanekena, izay ho fahazavana ho an'ny tany manontolo, kanjo lasan-ko babo izao izy ireo. Nasehon'Andriamanitra ny Isiraely nandritra ny fahababoany izay ho nitranga raha nahatoky izy ireo. Nanatona an'i Kristy i Nebokadnezara, izay mpanapaka teo anivon'ny rafitra nifanohitra tanteraka tamin'ny an'Andriamanitra (Dan. 4). Nanangana mpanjaka persianina iray Andriamanitra tamin'ny fiafaran'ny fahababoan'izy ireo, nataony tandindon'i Kristy, nanafaka ny vahoakany tamin'i Babilona sy namerina azy ireo ho any amin'ny Tany nampanantenaina. Tsy Isiraelita i Kyrosy, kanefa nofidin'Andriamanitra haneho amin'izao tontolo izao ny drafi-panavotan'Andriamanitra izy rehefa nampody ny vahoakan'ny fanekena tao Jerosalema. Nampiasa olona ivelan'ny İsiraely Andriamanitra hanatrarana ny tanjony; inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany momba ny fihevitr'Andriamanitra ny taranak'olombelona?

.

2. Mety tsy ho ao Babilona isika, kanefa Babilona toy ny ahoana no mety ho ao anatintsika? Ahoana no amantarantsika izany olana izany, ary avy eo, ahoana no ahafahantsika miova?

TARI-DALANA HO AN'NY MPAMPIANATRA

LESONA FAHA 3
TARIDALANA HO AN’NY MPAMPIANATRA
SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA
Fizarana I: Topimaso
Tsian-jery: Apokalypsy 19:9
Fifantohana amin’ny Fianarana: Genesisy 2:18–23; Ezekiela 16:3–32
Ao amin’ny firafitry ny fitantarana momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy, ny fanorenana ny fanambadiana izay hita ao amin’ny andininy faha-7 (Genesisy 2:21–24), dia mitovy amin’ny fanorenana ny Sabata izay hita amin’ny andro fahafito (Genesisy 2:1–3). Ity fitoviana amin’ny isa fito ity dia mampiseho lesona manan-danja lehibe: ny fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny fianakavian’olombelona dia tokony hazavaina amin’ny alalan’ny fanambadiana masina.
Miverimberina ihany koa ny sarin-teny momba ny fanambadiana amin’ny tantaran’ny vahoakan’Israely tamin’ny fivoahana avy any Egypta. Hita ao amin’ny Didy Folo (Eksodosy 20:5; ampitahao amin’ny Nomery 25:1; Deoteronomia 4:23–24) ny fiteny mampiseho saina fialonana sy fitakiana amin’ny vadin’olona. Amin’izany, dia azo adika ho toy ny fanambadiana ny fifanekena eo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany. “Tian’Andriamanitra” ny vahoakany (Deoteronomia 7:8), ary tokony “tia” an’Andriamanitra koa i Israely (Deoteronomia 6:5). Ny teny hebreo “yada‘”, midika hoe “mahafantatra” amin’ny fifandraisana manokana sy akaiky eo amin’ny mpivady (Genesisy 4:1; 19:8), dia ampiasaina hilazana ny fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany (Salamo 16:11; Jeremia 2:2–3; Ezekiela 16:3–32).
Noho ireo antony ireo dia zava-dehibe ny mandalina ny lafiny ara-baiboly amin’ny fanambadiana mba hahatakarana bebe kokoa ny dikan'ny sarinteny momba azy.
________________________________________
Fizarana II: Fanamarihana sy Fanazavana
Adama sy Eva
Araka ny filazan’ny Baiboly, dia tao amin’ny saha Edena no nanorenan’Andriamanitra ny fanambadiana tamin’ny andro voalohan’ny tantaran’ny olombelona (Genesisy 1:26–27; 2:18, 20–23). Midika izany fa ireto andininy fahiny sy voaingam-panahy ireto dia mitondra fototra manan-danja ho an’ny fanambadiana.
“Araka ny endrik’Andriamanitra” (Genesisy 1:27): Hita ao ny famoronana amin’ny anarana fiantsoana “pluriel” — na‘aseh (“aoka isika hanao”) — izay manondro ny fifandraisana ao amin’ny Andriamanitra telo izay iray. Izany no ahitana fa rehefa namorona an’Adama sy Eva ho amin’ny endriny Izy, dia tokony hisy fifankatiavana sy firaisankina eo amin’izy mivady, toy ny misy eo amin’ny Andriamanitra (Genesisy 2:24; Jaona 15:9, 12, 17; Efesiana 4:1–6).
“Vady sahaza azy” (Genesisy 2:18): Ny teny hebreo ‘ezer (“mpanampy”) dia matetika ampiasaina ho an’Andriamanitra amin’ny asan’ny famonjena Azy (Eksodosy 18:4; Salamo 33:20). Kenegdo (“sahaza azy”) dia midika hoe “mitovy aminy” sy “mifanatrika aminy”. Izany dia mampiseho firaisana sy fifampitodihana.
Isaaka sy Rebeka
Ao amin’ny toko faha-24 ao amin’ny Genesisy no ahitana ny tantaran’ny fanambadian’Isaaka sy Rebeka — toko lava indrindra ao amin’ny boky. Ity tantara ity dia mampianatra momba ny fisian’Andriamanitra amin’ny fanambadiana. Na dia tsy miteny aza ny Tompo ao amin’ity toko ity, dia voalaza mihoatra ny in-17 Izy. Voalaza koa in-17 ny matoanteny hoe “mandeha” (halak), ka in-7 amin’ireo dia mifandray amin’i Rebeka.
Tantara iray mampiseho fa:
• Andriamanitra no manomboka ny fifanekena. Toy ny nanirahan’i Abrahama an’i Eliezera hanatona an’i Rebeka, dia Andriamanitra no mandray dingana voalohany amin’ny fanekena amin’ny vahoakany.
• Ny valin-tenin’ny ampakarina. Rebeka, raha nanontaniana hoe handeha hiaraka amin’i Eliezera ve izy, dia namaly tokana: “Elek – Handeha aho” (Genesisy 24:58), izay fitoviana amin’ny fiantsoana an’i Abrahama hiala any Mesopotamia (Genesisy 12:1, 4).
• Ny anjara andraikitry ny vavaka. Nivavaka i Eliezera (Genesisy 24:12, 14), ary tanteraka ny vavaka nataony. Nivavaka koa i Isaaka (Genesisy 24:63), ary nihaona tamin’i Rebeka.
• Ny fitiavana. Tao aorian’ny fanambadiana vao nilaza ny Baiboly fa tian’i Isaaka i Rebeka (Genesisy 24:67). Fitiavana midika fanoloran-tena sy fiarahana amim-pifaliana mandritra ny fiainana (Mpitoriteny 9:9).
________________________________________
Ny Vehivavy Janga sy Ny Ampakarina
Ny vehivavy janga. Ao amin’ny bokin’i Hosea, i Hosea dia nampilazana handray vady mpijangajanga (Hosea 1:2), izay manamarika ny fialan’ny Israely amin’Andriamanitra ka manaraka andriamani-kafa (Hosea 3:1).
Ny ampakarina vavy. Ao amin’ny Ezekiela 16, ny Israelita dia aseho toy ny zaza vao teraka, maloto, nefa novelomin’Andriamanitra sy nampitomboiny ho “tena tsara tarehy” (Ezekiela 16:13–14). Saingy rehefa nivadika tamin’Andriamanitra izy dia nambara ho “tena meloka” koa (Ezekiela 9:9).
Ao amin’ny Apokalypsy, io sarinteny io dia averina: ny “ampiakarina efa mihaingo voaravaka hihaona amin’ny vadiny” (Apokalypsy 21:2) dia manambara ny Fiangonan’Andriamanitra; ny “vehivavy janga lehibe” kosa dia manambara ny fiangonana mpijangajanga (Apokalypsy 19:2).
________________________________________
Fizarana III: Fampiharana eo amin’ny fiainana
1. Amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra: Ahoana no itondran’ny sarin’ny fanambadiana fanazavana amin’ny fifandraisanao manokana amin’Andriamanitra? Ahoana no mampianatra anao fa eo amin’ny fiainana andavanandro rehetra no tokony hisian’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny vavaka sy fivavahana ihany?
2. Amin’ny vady: Raha manambady ianao, diniho amin’ny fifaliana ny fifandraisanao amin’ny vady. Ahoana no ahitanao ny endrik’Andriamanitra ao aminy? Ahoana ny fanehoana firaisankina sy fanajana ao anatin’ny fahasamihafana?
3. Ao amin’ny fiangonana: Ahoana no ahitana ny fifandraisan’ny fiangonana sy ny toetran’Andriamanitra? Inona avy ireo tranga manokana ahitanao fa mandresy na lavo amin’izany ny fiangonana?

Fanambadiana sy Fahamasinana
Araka ny asehon’ny Baiboly, ny fanambadiana dia masina satria:
• Natsangan’Andriamanitra izany (Genesisy 2:24).
• Izy no mpanome ilay vady (Genesisy 2:22).
• Izy no manambatra ny mpivady ho nofo iray (Marka 10:9).
• Izy no manome fitsipika haharetan’izany fifanekena izany (Matio 19:3–9).
• Izy no manome modely sy ohatra amin’izany amin’ny alalan’ny fanekena eo aminy sy ny vahoakany (Hosea 2:19–20; Apokalypsy 19:7–9).
Tsy vitan’ny hoe fifanekena amin’ny fomba ara-dalàna ny fanambadiana, fa fanehoana an’Andriamanitra sy ny toetrany ao amin’ny fianakaviana.
________________________________________
Ny Teny miresaka Fanambadiana ao amin’ny Testamenta Vaovao
Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny fanambadiana dia miorina amin’ny fitiavana sy fanompoana. Ao amin’ny Efesiana 5:22–33, ny fifandraisan’ny mpivady dia oharina amin’ny fifandraisan’i Kristy sy ny fiangonana:
• Ny lehilahy no “lohan’ny vady” toy ny Kristy no “lohan’ny fiangonana.”
• Ny vehivavy dia asaina mankatò toy ny fiangonana mankatò an’i Kristy.
• Ny lehilahy kosa dia asaina tia ny vadiny tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana — dia nanao sorona ny tenany ho azy.
Izany fitiavana sorona izany dia tokony hifandray amin’ny fahamasinana, amin’ny fanadiovana amin’ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fiahiana, sy amin’ny fahaiza-mamela.
________________________________________
Fizarana IV: Fanambadiana ao amin'ny Apokalypsy
Ny faran’ny tantara ao amin’ny Apokalypsy dia mifarana amin’ny lanonana lehibe antsoina hoe “Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 19:7–9). Eto:
• I Kristy no Lehilahy.
• Ny Fiangonana marina, izay niambina ny fahadiovany, no Ampakarina.
• Ny lanonana dia fampiarahana feno eo amin’i Kristy sy ny olony, taorian’ny fotoana naharetan’ny fitiavana sy fahatokisana, na teo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana.
Ity no tanjona lehibe amin’ny tantaran’ny famonjena: ny fampiarahana mandrakizay eo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany. Toy ny amin’ny fanambadiana lavorary, dia tsy hisy intsony fahaverezana na fisarahana.
________________________________________
Fizarana V: Famintinana sy Fanamby
Famintinana:
• Ny fanambadiana, araka ny Baiboly, dia sarinteny lehibe maneho ny fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany.
• Natsangana hatrany am-piandohana izy io, masina, ankinina amin’ny fitiavana, amin’ny fanoloran-tena, ary mitaky fahatokiana.
• Ny fanambadiana ara-panahy sy ara-batana dia manomana ny olombelona hahatakatra sy handray ny lanonana farany amin’ny Fanambadian’ny Zanak’ondry.
Fanamby:
1. Ahoana no hanamasinanao ny fanambadianao na ny fifandraisanao amin’ny hafa, ho sarinteny momba ny fitiavan’Andriamanitra?
2. Manao ahoana ny fiomananao amin’ny lanonana lehibe ao amin’ny Apokalypsy 19? Mitana ny fahadiovana ara-panahy ve ianao, amin’ny alalan’ny finoana sy ny fitiavana?
3. Ahoana no hanehoanao fitiavana sorona, toy ny nataon’i Kristy, amin’ireo akaiky anao — vady, fianakaviana, fiangonana?
________________________________________
Fizarana VI: Fanontaniana tsara omanina ho an’ny Fianarana ao amin’ny Kilasy
1. Inona no tanjon’Andriamanitra tamin’ny namoronany ny fanambadiana voalohany tao Edena?
2. Inona avy no fahasamihafana sy fitoviana eo amin’ny fanambadiana ara-batana sy ara-panahy?
3. Ahoana no ahafahanao manomana ny tenanao amin’ny “Fanambadian’ny Zanak’ondry”?
4. Inona no lesona azon’ny mpivady sy mpianakavy ianarana amin’ny fifandraisan’i Kristy sy ny Fiangonana?
5. Ahoana no fomba hanehoanao fahatokiana amin’Andriamanitra na dia ao anatin’ny “fahadisoam-panantenana amin’ny fitiavana” aza?
________________________________________
Andininy ho Takarina sy Hotsarovana
• Genesisy 2:24 – "Dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo."
• Efesiana 5:25 – "Hianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy nanolorany ny tenany hamonjy azy."
• Apokalypsy 19:7 – "Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy, fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ka efa niomana ny vadiny."
________________________________________
Soso-kevitra ho an’ny Fampiharana Amin’ny Fiainana
**Raha manambady ianao:
• Ataovy lohalaharana ny vavaka sy fianarana Baiboly miaraka amin’ny vadinao.
• Aoka hifampamela sy hifamelona amin’ny fitiavana sy faharetana, toy ny nataon’i Kristy.
• Diniho isan-kerinandro hoe inona no azonao atao hanatsarana ny fifandraisanareo.
** Raha tsy mbola manambady ianao:
• Mivavaha sy manàna faharetana amin’ny fitadiavana vady amin’ny fomba masina.
• Mandiniha raha vonona ara-panahy sy ara-tsaina amin’ny fanambadiana ianao.
• Aoka tsy ho faniriana ihany, fa fanehoana fitiavana sy fanompoana ho an’Andriamanitra sy ny olony.
** Ho an’ny olona rehetra:
• Miezaha hitia amin’ny fitiavana sorona sy amin’ny fahadiovam-po ny manodidina anao.
• Mitadiava fotoana hiarahana amin’Andriamanitra, amin’ny maha-vady ara-panahy Azy.
• Aza hadino fa mpanambady antsika Andriamanitra, ka miantso antsika hanompo Azy amin’ny fitiavana sy fahatokiana.

Famintinana ny Lesona Sekoly Sabata Lehibe miaraka amin'ny Hopefy Radio

Mivoaka isaky ny Zoma....

Lesona 4 Q 2 2025 Ny Firenena Rehetra Fizarana 1 Dr Jean Jacques A Mp 3
Audio – 26.0 MB 0 downloads
Lesona 3 Q 2 2025 Sary Anohatra Avy Aminny Fanambadiana Dr Benoit Rakotovao Mp 3
Audio – 38.2 MB 5 downloads
Lesona 2 Q 2 2025 Ny Bokinny Genesisy Fototra Dr Jean Jacques A Mp 3
Audio – 26.9 MB 16 downloads
Lesona 1 Q 2 2025 Fitsipika Vitsivisy Momba Ny Faminaniana Dr Benoit Rakotovao Mp 3
Audio – 34.7 MB 18 downloads

Tahiry MP3 ny Lesona lasa:

© General Conference of Seventh-day Adventists®


NY TANTARAN'NY NIAINAN'I JESOSY KRISTY TETO AN-TANY (Document ilaina hanomananao ny lesona SS na hanomananao toriteny)

Ny Fijaliani Kristy Mg Pdf
PDF – 4.6 MB 80 downloads

LESONA SEKOLY SABATA TANORA ZOKINY

© General Conference of Seventh-day Adventists®


ADULT SABBATH SCHOOL

© General Conference of Seventh-day Adventists®


Hope Sabbath School

Click to watch Hope Sabbath School TV

Click the image to see all the ressources: Lesson reading, Video, Audio, PDF, PPT, Mission story and video.

ADVENTIST MISSION 

Click the Bold title to watch movie about Adventist Mission this next Sabbath.

Add comment

Comments

There are no comments yet.

If you would like to leave us any feedback, please email us at: info@fanantenanahoanao.org