Raha te hihaino ny Radio AWR Malagasy Ilay Feon'ny Fanantenana, tsindrio ny logo

Blog Fanantenana 

Afaka ny ho mpandresy ianao - You have the ability to win

Nandritra ireo ady nifanaovan’I Kristy sy I satana dia nivoaka mpandresy hatrany I Kristy. Nisolo toerana antsika tamin’izany fisedrana sy fakam-panahy izany Izy. Izao no voasoratra: « Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. » (Hebreo 4:15)

Read more »

Eo mandrakariva Izy tsy mandao anao - He is never far from You

Fantatry ny Tompontsika izay tena ilaintsika sy izay tena zakantsika, ary homeny antsika noho ny fahasoavany ny fahafahana hiaritra fakam-panahy sy ny fitsapana izay avelany hiseho eo anatrehantsika. Izao no voasoratra: « Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. » (1 Korintiana 10:13)

Read more »

Azonao ny valim-bavaka - You get the response to your prayer.

Hoy ny Soratra Masina. « Raha miray amiko ianareo, ka mitœtra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. » (Jaona 15:7) ary koa « Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika. » (1 Jaona 3:22).

Read more »

Manasitrana anao Izy

Ho anao izay marary na manana marary ao an-tranonao ao, raiso ity teny fikasana ity ary angataho ny Tompo hanatanteraka izany ho anao anio. Tsy miova hatrizay ka ho mandrakizay Izy.

Read more »

Mampandresy antsika tsy hanota i Kristy

Nankatò ireo fitakian'ny lalàna rehetra i Kristy (... ) Nanome fomba handresena ny fahotana rehetra sy hanoherana ny fakam-panahy rehetra, na toy inona na toy inona herin'izany, ny drafi-panavotan'Andriamanitra. Izao no voasoratra: « Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenany* ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [* Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy] » (1 Jaona 5:18) ary koa « Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitœtra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. » (1 Jaona 3:9)

Read more »

Zanak'Andriamanitra aho

Tsy maintsy manohitra sy mandresy ny fahotana isika amin’ny safidy hanaraka ny sitrapon’I Kristy eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, mba hahafahantsika mandova ny zavatra rehetra. Hahazo fifaliana ao amin’I Kristy isika raha mitandrina ny didiny. Raha manana ny zo maha-olom-pirenen’ny lanitra antsika, sy ny maha-mpandova ilay lova maharitra mandrakizay tokoa isika, noho ny finoana an’I Jesosy “izay miasa amin’ny fitiavana” sy manadio ny fanahy, dia azo antoka ny fandresena. Izao no voasoratra: « Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra… Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. » (Romana 8:14,16,17)

Read more »

Jesosy Fahasoavana

Toetran’Andriamanitra ho an’ny olona tsy mendrika ny fahasoavana. Tsy isika no mandeha mitady izany, fa natolotra ho antsika izany. Faly Andriamanitra mandrotsaka izany fahasoavana izany amin’olona izay mangetaheta izany. Maneho ny famindrampony amintsika Andriamanitra, tsy hoe satria mendrika isika, fa satria tena tsy mendrika mihitsy aza. Ny ilaintsika dia fahatratrarana toerana izay manome antsika antoka fa handray izany fanomezana izany. Izao no voalaza: « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; » (Efesiana 2:8)

Read more »

Add comment

Comments

There are no comments yet.