Eo mandrakariva Izy tsy mandao anao - He is never far from You

Published on 24 March 2024 at 20:52

Fantatry ny Tompontsika izay tena ilaintsika sy izay tena zakantsika, ary homeny antsika noho ny fahasoavany ny fahafahana hiaritra fakam-panahy sy ny fitsapana izay avelany hiseho eo anatrehantsika. Izao no voasoratra: « Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. » (1 Korintiana 10:13)

 

Moa ve ianao ka tojo olana, na ianjadian’ny adin-tsaina.

Na ao anatin’ny fatorana, mety hihatra aman’aina?

Antsoy Jeso Ilay tsy mandao, ambarao ireo sentom-po.

Fa indro akaiky Izy izao, tsy mba lavitra tokoa.

Apetraho sy ento eo Aminy, ireo onjam-piainanao,

Fa ho vimbininy, ho tantaniny, ny ady izay atrehinao.

Amin’ny loza mitatao, Izy eo ho fialofana,

Ka na orana mitraho, ts’isy izay atahorana.

Mitsotra hatrany Ilay sandry, izay azo iantsapazana,

Vonona izy ary miandry, hitrotro, hibaby ary hitantana.

 

Are you ensnared by life’s tempestuous tides,

Or burdened by the weight of silent cries?

Fear not, for there exists a refuge, a guide,

A presence that lingers, ever by your side.

Jesus, the unwavering beacon of grace,

Does not forsake, nor retreat from life’s race.

He draws near, His love a steadfast embrace,

No longer distant, but present in this space.

Bring forth your waves, tumultuous and wild,

Lay them at His feet, like a cherished child.

For He shields, He manages, with strength undefiled,

The battle you face, the storms reconciled.

In danger’s shadow, He stands as your shield,

A sanctuary where wounded hearts can yield.

Though rain may fall, and thunderstorms wield,

His unwavering arm stretches forth, revealed.

Ready and waiting, His touch brings solace,

To hold, to heal, to mend the broken places.

In the quietude of faith, find your oasis,

For Jesus is near, in every storm’s embraces.

 

MANATONA NY ZANANY REHETRA AO ANATIN’NY FAHORIANA NY TOMPO, MITROTRO, MIBABY ARY MITANTANA. MINOA IZANY FA IZY HAMAHA NY OLANAO.

Add comment

Comments

There are no comments yet.