Afaka ny ho mpandresy ianao - You have the ability to win

Published on 29 June 2024 at 17:56

Nandritra ireo ady nifanaovan’I Kristy sy I satana dia nivoaka mpandresy hatrany I Kristy. Nisolo toerana antsika tamin’izany fisedrana sy fakam-panahy izany Izy. Izao no voasoratra: « Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. » (Hebreo 4:15)

 

Mety tsy ho takatsika, ny halehiben’ny fitsapana, nosedrain’ny Tompontsika.,  

Tsy toy ny ady atomika, fa fanahin’I Satana, toy ny rivotra mitsioka.

Ady mafy sy mafana, no nametrahany ny tenany, hisolo tena an’I Adama.

Ka ireo lalam-pitsapana, no niaretany sy niainany, mba handresy fahotana.

Izany fandreseny izany, no nametrahany ny olona, ho mpandresy hatrany hatrany,

Ka na sento na tomany, ady mafy arahin-tolona, dia ny Tompo miahy izany.

Tafaray tao amin’ny nofo, Ilay Tenan’Andriamanitra, dia nandresy Jeso Tompo.

Dia toy izay koa no inoako, f’Ilay Fanahin’Andriamanitra no hampandresy izato foko.

Ka ny tenako rehetra, inty fenoy  ilay Fanahy, ho mpandresy ts’isy fetra.

He ny foko tiako hitoetra, tsy mba hanana ahiahy, amin-javatra rehetra.

 

We may not grasp the depth of trials our Lord bestows,

Not like atomic wars, but Satan’s whispering blows.

A fierce and fiery battle, Adam’s role he undertook,

Enduring trials, overcoming sin, in every nook.

 

Victorious, he paved the way for us to strive,

Through sighs and tears, our struggles come alive.

The Lord, our guardian, tends to every care,

 In flesh united, God Himself, beyond compare.

 

The Spirit’s strength shall conquer every strife,

Within my being, I’ll embrace eternal life.

Fear not, my heart, for worry finds no place,

In this relentless fight, I’ll stand with grace.

 

AMIN’NY ANARAN’I KRISTY, AMIN’NY ALALAN’NY FAHASOAVANY DIA AFAKA NY HANDRESY IANAO TOY IZAY NANDRESENY KOA. NY FOMBA TOKANA HAHAFAHANA MANDRESY DIA NY SAFIDY HOTARIHIN’NY FANAHY MASINA

Add comment

Comments

There are no comments yet.