Tian'Andriamanitra ho zanany hatrany ianao - God always wants you to be his child

Published on 14 March 2024 at 20:32

Izay rehetra manao fanekena amin’I Kristy dia hatsangana ho zanak’Andriamanitra, “…sady mpandova no mpiray lova amin’I Kristy koa…” Rom 8:18

Akory ny fahamboniana sy fahamendrehan’izany toerana izany!

 

Asa re raha tsapanao, ‘lay fanomezam-boninahitra

Ka anaovana ahy sy anao, ho mpandova ny lanitra,

Dia ho mpiara-miombon’antoka, amin’ny asan’Andriamanitra

Ary koa higoka sy hianoka, ilay lova  izay maharitra?

Ts’isy toerana ambony, azontsika andrandraina,

Eny tsy hisy hafa intsony, izay mandrombaka ny saina

Fa tehiriziko ho ahy, ny maha-zanak’Andriamanitra,

Ka ny fo, saina, fanahy, dia mizotra ho amin’ny lanitra.

Mety hiezaka I Satana handoto saina hampivily,

Fa izao no azo ambara, Jesosy miaro sy mitily.

Ny Fanahy Masina no omeny, hampijoro sy hampitraka,

Ka fitsapana ihany ireny,izay mandalo tsy mamaka.

 

𝑰 𝒅𝒐𝒏’𝒕 𝒌𝒏𝒐𝒘 𝒊𝒇 𝒚𝒐𝒖 𝒇𝒆𝒆𝒍 𝒊𝒕, 𝒃𝒖𝒕 𝒍𝒊𝒔𝒕𝒆𝒏 𝒄𝒍𝒐𝒔𝒆,
𝑨 𝒕𝒓𝒊𝒃𝒖𝒕𝒆 𝒕𝒐 𝒕𝒉𝒆 𝒅𝒊𝒗𝒊𝒏𝒆, 𝒘𝒉𝒆𝒓𝒆 𝒍𝒐𝒗𝒆 𝒂𝒓𝒐𝒔𝒆.
𝒀𝒐𝒖 𝒂𝒏𝒅 𝑰, 𝒄𝒉𝒐𝒔𝒆𝒏 𝒉𝒆𝒊𝒓𝒔 𝒐𝒇 𝒉𝒆𝒂𝒗𝒆𝒏’𝒔 𝒈𝒓𝒂𝒄𝒆,
𝑩𝒐𝒖𝒏𝒅 𝒃𝒚 𝒑𝒖𝒓𝒑𝒐𝒔𝒆, 𝒊𝒏 𝑮𝒐𝒅’𝒔 𝒆𝒕𝒆𝒓𝒏𝒂𝒍 𝒆𝒎𝒃𝒓𝒂𝒄𝒆.
𝑷𝒂𝒓𝒕𝒏𝒆𝒓𝒔 𝒘𝒆’𝒍𝒍 𝒃𝒆, 𝒊𝒏 𝑯𝒊𝒔 𝒈𝒓𝒂𝒏𝒅 𝒅𝒆𝒔𝒊𝒈𝒏,
𝑵𝒐𝒕 𝒋𝒖𝒔𝒕 𝒕𝒐 𝒆𝒂𝒕 𝒂𝒏𝒅 𝒅𝒓𝒊𝒏𝒌, 𝒃𝒖𝒕 𝒕𝒐 𝒊𝒏𝒕𝒆𝒓𝒕𝒘𝒊𝒏𝒆.
𝑨 𝒍𝒆𝒈𝒂𝒄𝒚 𝒍𝒂𝒔𝒕𝒊𝒏𝒈 𝒃𝒆𝒚𝒐𝒏𝒅 𝒆𝒂𝒓𝒕𝒉𝒍𝒚 𝒔𝒕𝒓𝒊𝒇𝒆,
𝑾𝒐𝒗𝒆𝒏 𝒊𝒏 𝒕𝒉𝒆 𝒇𝒂𝒃𝒓𝒊𝒄 𝒐𝒇 𝒆𝒕𝒆𝒓𝒏𝒂𝒍 𝒍𝒊𝒇𝒆.
𝑵𝒐 𝒉𝒊𝒈𝒉𝒆𝒓 𝒑𝒍𝒂𝒄𝒆 𝒕𝒐 𝒂𝒔𝒑𝒊𝒓𝒆, 𝒏𝒐 𝒅𝒊𝒔𝒕𝒂𝒏𝒕 𝒔𝒕𝒂𝒓,
𝑶𝒖𝒓 𝒊𝒎𝒂𝒈𝒊𝒏𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏 𝒄𝒂𝒑𝒕𝒖𝒓𝒆𝒅, 𝒏𝒆𝒂𝒓 𝒐𝒓 𝒇𝒂𝒓.
𝒀𝒆𝒕 𝑰 𝒉𝒐𝒍𝒅 𝒘𝒊𝒕𝒉𝒊𝒏, 𝒂𝒔 𝒂 𝒄𝒉𝒊𝒍𝒅 𝒐𝒇 𝑮𝒐𝒅’𝒔 𝒎𝒊𝒈𝒉𝒕,
𝑨 𝒉𝒆𝒂𝒓𝒕, 𝒂 𝒎𝒊𝒏𝒅, 𝒂 𝒔𝒐𝒖𝒍, 𝒓𝒆𝒂𝒄𝒉𝒊𝒏𝒈 𝒇𝒐𝒓 𝒕𝒉𝒆 𝒍𝒊𝒈𝒉𝒕.
𝑺𝒂𝒕𝒂𝒏 𝒎𝒂𝒚 𝒘𝒉𝒊𝒔𝒑𝒆𝒓, 𝒕𝒓𝒚 𝒕𝒐 𝒅𝒊𝒗𝒆𝒓𝒕 𝒐𝒖𝒓 𝒘𝒂𝒚,
𝑩𝒖𝒕 𝒇𝒆𝒂𝒓 𝒏𝒐𝒕, 𝒇𝒐𝒓 𝑱𝒆𝒔𝒖𝒔 𝒔𝒉𝒊𝒆𝒍𝒅𝒔 𝒖𝒔 𝒆𝒂𝒄𝒉 𝒅𝒂𝒚.
𝑻𝒉𝒆 𝑯𝒐𝒍𝒚 𝑺𝒑𝒊𝒓𝒊𝒕 𝒊𝒈𝒏𝒊𝒕𝒆𝒔 𝒐𝒖𝒓 𝒊𝒏𝒏𝒆𝒓 𝒇𝒊𝒓𝒆,
𝑻𝒉𝒆𝒔𝒆 𝒕𝒆𝒔𝒕𝒔 𝒘𝒆 𝒆𝒏𝒅𝒖𝒓𝒆, 𝒓𝒐𝒐𝒕𝒔 𝒓𝒆𝒂𝒄𝒉𝒊𝒏𝒈 𝒉𝒊𝒈𝒉𝒆𝒓.

 

FALY AHO MANAMBARA AMINAO ANIO FA TIAN’ANDRIAMANITRA HO ZANANY HATRAMIN’NY FARANY IANAO.

Add comment

Comments

There are no comments yet.