Aza manahy ny ampitso - Don't worry about tomorrow

Published on 14 March 2024 at 21:01

Raha ny voninkazo tsotra, izay malazo ao anatin’ny indray andro aza, no tafian’Andriamanitra ny lokony kanto sy maro karazana, moa tsy hanoatra lavitra noho izany va no hikarakaran’I Jesosy ny olombelona izy noforoniny tahaka ny endriny?

 

Asa re raha tsapanao, moa mba azo alavaina ve ny halavanao izao?

Toy ny tsy ahafahanao, manampy izany ho iray hakiho, amin’ny fihezahanao,

No tsy dia ilana akory, hanahy izay ho ampitso anio, satria, zanany ianao.

Ny adidinao izao, dia maneho fatokiana, toy ny an’ny zazakely;

Fa ilay Rainao vaovao, manome izay irina, mikarakara toy ny reny.

Tsarovy ary ankehitriny, fa ianao dia manam-piahy, anatin’ireo fisedrana,

Tahiany ary koa ampiany, sakanany izay sahisahy, ho reraka ary koa ho hana.

Ireo vavaka, talaho, izay angatahinao, dia fantany avokoa,

Hainy tsara raha ianao, sy izay mety ilainao, hatrany an-tampon-doha.

 

If you feel like it, yearning for more height,

Stretching toward the sky, a celestial flight.

But alas, adding a cubit to your frame,

In earthly striving, remains an elusive aim.

Worry not about tomorrow’s unknown,

For you, my child, are not alone.

His love enfolds you, a divine embrace,

Trust, like a babe, in His boundless grace.

This new Father, tender and kind,

Gives what’s desired, cares for heart and mind.

A mother’s touch, in every whispered prayer,

Guiding you through trials, with utmost care.

Boldness may falter, weariness may cling,

Yet He blesses, sustains, on eagle’s wing.

Hunger abates, weariness takes flight,

From the top of your head to the depths of night.

So rest, dear soul, in this sacred space,

A child of God, held in His embrace.

 

TADIDIO ARY FA TSY ILAINTSIKA NY HO BE FANAHIANA NY AMIN’NY AMPITSO SY IZAY ILAINA AMIN’IZANY. MITOETRA AO ANTRANONAO IZY ARY MIHAINO IZAY VAVAKA REHETRA TONONINAO AO.

Add comment

Comments

There are no comments yet.