Zanak'Andriamanitra aho

Published on 23 February 2024 at 18:22

Tsy maintsy manohitra sy mandresy ny fahotana isika amin’ny safidy hanaraka ny sitrapon’I Kristy eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, mba hahafahantsika mandova ny zavatra rehetra. Hahazo fifaliana ao amin’I Kristy isika raha mitandrina ny didiny. Raha manana ny zo maha-olom-pirenen’ny lanitra antsika, sy ny maha-mpandova ilay lova maharitra mandrakizay tokoa isika, noho ny finoana an’I Jesosy “izay miasa amin’ny fitiavana” sy manadio ny fanahy, dia azo antoka ny fandresena. Izao no voasoratra: « Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra… Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. » (Romana 8:14,16,17)

 

Isika izao dia nantsoina, ho ankohonan’Andriamanitra
Mpiara-mandova amin’ny finoana, satria dia zanak’Andriamanitra
Tsy tanteraka izany, raha tsy teo Jesosy tia,
Izay nanaiky tsy niankany, nalatsa-dra teo Kalvary
Azo antoka tokoa, f’handray ilay satroboninahitra,
Izay tena kanto sady soa, ireo zanak’Andriamanitra,
Nanaiky hatrany ny hitoetra, ho mahatoky amin’I Kristy,
Tamin’ny zavatra rehetra, izay natrehina tety.
Tombontsoa tsy manampetra no omena ireo izay mpankato,
Nijoro hatrany sy nitoetra, teo anilan’I Jesoa,
Kristy irery no nekeny, Mpitari-dalana maharitra,
Izay nampandresy ombieny ombieny, tamin’ny tolona, ady sarotra.
 
TSY MANAM-PETRA IREO TOMBONTSOA AZO ANTOKA HO AN’IREO ZANAK’ANDRIAMANITRA (…) NY MAHA-ZANAK’ANDRIAMANITRA DIA MITONDRA NY ANARANY, ANISAN’NY FIANAKAVIAN’ANDRIANA; MIANDANY AO AMBANY FANEVAN’ILAY ANDRIANA IMANOELA, MPANJAKAN’NY MPANJAKA SY TOMPON’NY TOMPO. JESOSY KRISTY ILAY ZANAK’ANDRIAMANITRA NO MPANDOVA NY ZAVATRA REHETRA, ARY NOMANINA HO AZY NY FANJAKANA SY NY VONINAHITR’IREO FANAPAHANA REHETRA ETO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO ITY(...) TAHAKA NY NAHA-TETO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO AN’I KRISTY NO NAMPITOETRA ETO NY MPANARAKA AZY. ZANAK’ANDRIAMANITRA SY MPIARA-MANDOVA AMIN’I KRISTY IREO, ARY AZY IREO NY FANJAKANA SY NY FANAPAHANA.
NOHO NY FIAINANAO FENO FANKATOAVANA DIA HANOME ANAO FANJAKANA EO AMBANIN’NY LANITRA REHETRA I KRISTY JESOSY, HO SOLON’ITY IZAO TONTOLO IZAO ITY. HANOME ANAO VONINAHITRA MANDRAKIZAY IZY.

Add comment

Comments

There are no comments yet.