Tsy maintsy misafidy

Published on 18 February 2024 at 17:01

Ity fifanandrinana izay handalovantsika ity no farany hiainantsika eto amin’ity izao tontolo izao ity. Eo anivon’izany isika ankehitriny. Antoko roa no miady izany fahamboniana indrindra izany. Tsy afaka ny tsy hiandany isika ao anatin’io fifanandrinana io. Tsy maintsy mijoro na ho amin’ny andaniny na ho amin’ny ankilany isika. Izao no voasoratra: « ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy*; [*Gr: zanak'osy] ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy* eo amin'ny ankaviany. » (Matio 25:32,33)

Fifanandrinana lehibe, amin’ny ratsy sy ny tsara,

Ka ts’isy iray afa-mandeha, na tsy te handray anjara,

No miseho ankehitriny, tsy maintsy andraisana safidy,

Na ho I Jesosy no fidiana, na I Satana no finidy.

Tsy afa-miala avokoa, ny olombelona rehetra,

F’izay tompoina eo aloha, no indro hamaritra sy hametra.

Raha miandany amin’I Kristy, ka manaiky Azy eto an-tany,

Dia ho mpandresy hatrary, ka ho tonga an-danitra any.

Raha aseho amin’ny fanao, amin’ny asa sy ny teny,

Fa Jesosy irery izao, no Tompoina sy ekena

Dia azo antoka fa hahomby, amin’ny ady izay atrehana

Ka ho resy ilay devoly, satria Jesosy no ianteharana.

 

TSY MAINTSY MIFIKITRA AMINĂ HERY IZAY IVELANTSIKA MIHOATRA ANTSIKA ISIKA MBA HAHAZOANA NY FANDRESENA AMIN’NY FANAFIHANA REHETRA ATAON’ILAY FAHAVALO. TSY MAINTSY MIKOLOKOLO FIFANDRAISANA TSY MIOVAOVA SY MIAINA MIARAKA AMIN’I KRISTY ISIKA, IZY IZAY MANANA NY FAHEFANA HANOME NY FANDRESENA HO AN’NY FANAHY REHETRA IZAY MIHAZONA NY TOETRY NY FINOANA SY NY FANETREN-TENA. TAHAKA IREO IZAY MANANTENA HANDRAY NY VALISOA HO AN’NY MPANDRESY, DIA TSY MAINTSY MANDROSO AO ANATIN’NY ADY IZAY IAINAN’NY KRISTIANINA TSIRAIRAY ISIKA, NA DIA HISETRA FANOHERANA ISAKY NY INDRAY MANDINGANA AZA. AMIN’NY MAHA-MPANDRESY ANTSIKA, AO AMIN’I KRISTY, DIA NATAO HANJAKA MIARAKA AMIN’I KRISTY AO AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA ISIKA, ARY NATAO HANDRESY AMIN’NY RAN’NY ZANAK’ONDRY SY NY TENY FILAZANA AZY ATAONTSIKA

Add comment

Comments

There are no comments yet.